<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Ph. Nicolai</author>
<hymn_number>29</hymn_number>
<title>Ry foko, mitsangana izao FFPM29</title>
<lyrics>[V1]
 ( Hira Paska )

[V2]
 Ry foko, mitsangàna izao
 Ka miderà ny Tomponao,
 Andriamanitsika.
 Nasehony ny heriny.
 Ny fasana levoniny
 Tsy hahatàna antsika.
 Derao ! Hobio !
 Haleloia sy hosana,
 Fanjakana :
 Azy Tompom-pahefana.

[V3]
 He ! vitanao Mpanavotra
 Ny lova mahasambatra :
 Ny fasana resenao.
 Mahazo toky fatratra,
 Ny mitomany, sasatra :
 Ny lanitra vohanao.
 Jeso Kristy
 Izay nitsangana maraina
 Tompon'aina :
 Andro Paska, arahabaina.

[V4]
 Derao ny voninahiny !
 Ankalazao ny heriny,
 Fa resy re satana.
 Ry tany sy ry lanitra,
 Derao Andriamanitra
 Akaro ny hosana.
 Raiso Tompo,
 Raisonao ny voninahitra
 Aman-dera :
 Ho anao, ry Zanakondry.</lyrics>
</song>